Efa ela aho no nanam-pikasàna hitondra izay kely haiko ho fampandrosoana ny manodidina ahy aloha, satria mantsy rehefa mandroso ny manodidina ahy dia inoako fa handroso ny fireneko.
Eto amin'ity blog "Malagasy aho" ity no sehatra iray nofinidiko hanampiako, hifaneraserako, hifampianarako amin'ireo Malagasy namako, eny tsy mampaninoka koa raha vahiny aza (rehefa mahay ny teny Gasy, satria dia niniako natao amin'ny teny gasy mihitsy ny lahatsoratra rehetra eto).
Marobe ny hevitra misafotofoto ato an-tsaiko ato fa ezahiko harindrako tsikelikely, koa aza omena tsiny aho raha toa ka somary mikorontana ny lahatsoratra.
Ndeha ho resahintsika ary aloha ny mikasika ny tanora Malagasy :
1- Inona no azo ambara ?
* Tanora maro an'isa ao ireo nandia fianarana ka nahavita dingana lavitra kanefa ao koa ireo izay voatery nijanona tamin'ny fianarana ary misy aza ireo izay tsy nandia fianarana mihitsy. Tsy mbola hiresaka antotan'isa isika fa ataontsika ankapobeny fotsiny aloha hoe maro an'isa ny tanora Malagasy.
* Tanora sahirantsaina noho ireo olana maro ara- ekonomika, politika, pédagogika, ara-asa sns ... iainantsika Malagasy.
* Tanora manam-paniriana ny ho tafita toy ny tanora rehetra.
* Tanora ao anatin'ny fahasahiranana noho ny ankabeazan'ny Ray aman-dReny sahirana.
2- Inona no hevitra azo hatolotra?
Raha fehezina dia tanora manana olana marobe ny tanora Malagasy, olana izay, araka ny fijeriko, tsy voavahan'izy ireo samirery fa ilaina ny hafa hifanampy amin'izy ireo.
hevitra vitsivitsy ireto :
* Fanampiana azy ireo amin'ny fiofanana arak'asa isankarazany. ilaina ny fanampiana satria tsy manana ny ho enti-manana ny amin'izany izy ireo
* Fanampiana azy ireo ara-moraly. Rehefa tojo fahasahiranana mantsy dia tena lasa ambany dia ambany ny moraly, dia reraka manaraka an'izany koa ny saina sy ny vatana.
* Fampianarana azy ireo ny fahaiza-miaina
hitohy .....
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire